“Be loatra ny fihatsarambelatsihy eto amintsika. Manimba ny fiarahamonina Malagasy sy ny fanaovana politika izany”, hoy ny filohan’ny CFM teo aloha, i Maka Alphonse.
Aoka hifampiresaka ny samy Malagasy. Tsy midika ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena, izany fa endrika iray amin’ny fifampiresahana ihany. Mifankahalala rehefa mifampiresaka sy mifampidinika. Mampisy fitoniana izany. Mety misy fizahozahoana na tsy fifankahazoan-kevitra fa afa-misoroka ny korontana sy manovo hevitra amin’ny hafa rehefa mifampiresaka.
Ny biby tsy manan-doha tsy mandeha. Koa manao antso mba hitsanganan’ireo raiamandreny sy manampahefana moraly mba tsy hisian’ny korontana politika indray. Tsy mila manafatra olona any ivelany. Manana olon-kendry isika. Misy rafitra iray na olona manana ny maha izy azy amin’izany. Nataony ho ohatra ny krizin’ny 1991-1992. Ny fijoroan’ny raiamandreny Razanamasy Guy Willy, anisan’ny nampiravona ny disadisa politika, araka ny nambarany.
“Tamin’izahay tao amin’ny CFM, nisy ny fifampiresahana tamin’ireo antoko politika”, hoy izy. Tsy nisy nanda an’izany. Re amin’ny kabary rehetra fa miteny soatoavina sy ny fihavanana ireo mpanao politika. Nefa misy indro kely fa be loatra ny fihatsarambelatsihy.
R.Nd.