FANTINA sy FINTINA

Nahitsy ny depiote Rajerison Antoine manolona izao fahatapahan-jiro izao. Nambarany fa efa tena famonoana ny toekarena anatiny mihitsy izao zava-misy izao. Tsy mahavaha olana intsony ny mpanatanteraka. Toa tsy misy mijery, tsy misy miresaka, akory. “Mame­traha fialana rehefa tsy vita intsony fa aza atao an’izao ny vahoaka”, hoy izy.
Nisolo tena ny MMM tamin’ny atrikasa roa niarahana amin’ny Eisa, Ratiankavana Benjamin sy i Lizy Israeline Lanto. Nifantoka tamin’ny fanomezan-danja bebe kokoa ny tanora sy ny vehivavy ao anatin’ny antoko politika izany ary mifandraika amin’ny vina sy ny foto-kevitry ny MMM, mikendry ny fanomanana taninketsa ho an’ny hoavy.
Nanokatra ny fanofanana ireo olom-boafidy eny Atsimondrano, teny Ampitatafika ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nivoitra tamin’ izany ny hetahetan’ireo ben’ny Tanàna sy mpanolo­tsaina. Anisan’izany ny olan’ny fananan-tany. Nampa­nantena ireo depiote Tim ny hitady vahaolana amin’ izany eo anivon’ny mpanatanteraka.
Mitsabaka tanteraka eto amintsika ny vahiny, araka ny nambaran’ny mpahay tantara, Denis Alexandre Lahiniriko. Nanteriny fa mihalalim-paka ny
fitsabahan’izy ireo amin’ny fitantanana ny firenena. “Miankindoha amin’ny vahiny avokoa ny fanapahan-kevitra ara-stratejika hitantanana ny firenena. Fositra ny trosa lava ataon’ny mpitondra”, hoy izy.

Partager sur: