Nanao be fiavy ny Ekoatera, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra «Mondial 2022». Fihaonana tanterahina any Qatar. Nomontsanin-dry zareo ny Katarianina, mpampiantrano.
Avy hatrany dia nakan’ny La Banana Mecanica-n’i Ekoatera, isa 3 ny Katarianina, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra “Mondial 2022”. Resin’izy ireo tamin’ny isa mazava 3 no ho 0 ry zareo mpampiantrano. Nalain’ny Ekoatera baraka mihitsy ny Katarianina, tamin’ity.
Tsy nihafihafy mihitsy ny Ekoatera, na nilalao teo anoloan’ny mpijeriny azy aza ry zareo Al-Annabi-n’i Qatar.
Nanan-tombo teo amin’ny fanafihana ry zareo ka vetivety foana dia nanokatra ny isa tamin’ny alalan’ny “pénalty”, tafiditr’i Enner Valencia, teo amin’ny minitra faha-16. Tsy nijanona teo fa mbola nitohy hatrany ny tsindry nataon-dry zalahy. Nanampy isa fanindroany indray i Valencia, teo amin’ny minitra faha-31.
Nitarika tamin’ny isa mazava 2 no ho 0 ny La Banana Mecanica-n’i Ekoatera. Taitra tamin’ny torimasony avy eo ny mpampiantrano ka niezaka nandrindra ny fanafihana. Nanao izay ho afany i Akram Afif sy i Almoez Ali, saingy ratsy hatrany ny famaranana. Io isa 2 no ho 0 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, nitady hirika hamonoana baolina ny Katarianina, saingy tsara ny hidin-tranon’ny Ekoatera. Tetsy ankilany, nitsitapitapy ary efa karazany niaro tena sisa ny Ekoatera. Tsy nisy intsony ny baolina tafiditra. Mitarika aloha izany ny Ekoatera, ho an’ny vondrona “A”. Ny zoma 25 novambra ny andro faharoa ho an’ity sokajy ity ka hidona amin’i Senegal i Qatar ary Pays-Bas hikatroka amin’i Ekoatera.