“Nandeha ny fikaonandoha nataon’ny Ceni mialoha ny nirosoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. Nisy koa ny fikaonandoha momba ny fambolena teny amin’ny CCI Ivato, ny momba ny fampianarana… Maro izay efa natao izay. Fikaonandoha inona indray no mbola hatao?” hoy ny depiote voafidy tany Fianarantsoa I, Rajoelina Seth.
Ho an’ny antoko politika tsirairay avy, mila manao kongresy izy ireo araka ny takin’ny lalàna. Amin’ny alalan’ny kongresy raha fikaonandohan’ny mpanao politika no hatao. Nisy fikaonandoha momba ny lisi-pifidianana nataon’ny Ceni. Tonga tamin’izany ireo mpitarika antoko, nilaza fa tsy mankasitraka. Niala ry zareo, nefa tsy mbola nanomboka akory ny natao. Tsy manao politika ihany na mpikamban’ny antoko ihany ny firenena, fa be dia be ny vahoaka. Maninona no tarihiny amin’ny firehan’ny antoko hatrany no entina hanarenana sy hampandrosoana ny firenena?
Mila hajaina ny lalàna
“Efa vita ny lalàm-pifidianana ary io ny lalàmpanorenana manankery sy narahina. Manatanteraka fifidianana isika izao. Amin’ny lafiny rehetra, iarahana amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena”, hoy izy. Tsy voatery hoe manaiky na tsia izany. Misy ny olona na antoko politika tsy mankasitraka ka tsy mandray anjara amin’ny fifidianana.
Izay ny demokrasia: misy hevitra tsy mitovy hatrany ao, fa samy manana ny heviny. Angaha misy didy jadona eto ka hoe terena ny tena hanaiky na hanaraka ny tena. Misy kosa ny lalàna manankery natao hajaina sy harahina.
R.Nd.