Voasambotry ny polisy ireo jiolahy miisa roa nangalatra moto. Tokantrano iray tetsy Ambodihady Ankadindramamy no lasibatr’izy ireo, ny zoma teo ka niantso polisy avy hatrany. Raikitra ny fanenjehana taorian’izay. Natao ny vela-pandrika ka nanaraka ny lalan’ireto jiolahy ireto ny polisy. Vokany, tratra teny Andranomena niaraka tamin’ilay moto ireo jiolahy, hoy ny polisim-pirenena avy ao amin’ny boriborintany fahatelo.
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisin’ny boriborintany fahatelo sy fahenina nahazoana ity vokatra ity. Nihaiky ny heloka nataony ireo voasambotra taorian’ny fanadihadiana. Naverina tamin’ny tompony avy hatrany ilay moto. Ireo jiolahy kosa natolotra ny fampanoavana, omaly.
Mino ( Mpianatra Asa)