Tratra ihany! Nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny jiolahy mpanafika amina Cash point tetsy Andranovao Ambohimangakely, ny alahady teo. Malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ireo mpitsinjara vola amin’ny alalan’ny finday nanerana ny renivohitra, natao hazalambo ity jiolahy ity. Naharay angom-baovao ny polisy avy etsy 67 ha ka tonga teny amin’ny toerana voatondro ho misy ity olon-dratsy ity. Nikasa hitsoaka indray izy anefa tsy afa-niala intsony ka notanana. Natao ny fisavana ny trano fonenany. Tra-tehaka tao ny fanamiana miaramila fampiasany rehefa manao fanafihana. Niaiky koa ity jiolahy ity fa mpanome fitaovana ny jiolahy namany hafa. Nentina nantao fanadihadiana teny anivon’ny polisy CSP7 ary nibaboka ity jiolahy raindahiny ity fa anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana ny magazay Tartine.
Tsiferana R.