WWF: “Tsy fahombiazana ny fivoriana COP 27”

« Tsy fahombiazana ny COP 27 natao tany Charm el-Cheikh, Egypta ny herinandro lasa teo”, hoy ny WWF. Nofaritana ny hoe hapetraka ho tahiry ny takalon’ny manimba ny tontolo iainana, saingy tsy tonga amin’ny ilàna azy ny vola heverina hampiasana hampihena ny hafanàna sy ny fiantraikany.

Mety ho tahiry lasa fiafaran’izao tontolo izao izany, hoy ihany ny WWF, raha tsy mandray fanapahan-kevitra haingana ny firenena hampihena ny hafanàna ho latsaka farafahakeliny 1,5`C mba hamerana ny fahavoazana. Hatramin’izao, tsy tonga amin’ny famerana ny fiantraikan’ny solika ny COP. Ireo mpitondra samihafa mampiditra antsika anatin’ny fahasimban’ny tontolo iainana tanteraka, tsy hita mazava ny fepetra noraisina tamin’iny COP 27 iny, hoy ny WWF.

Tsy tokony hisy fihaonana an-tampony toy iny intsony, raha tsy tanteraka aloha ny fifanarahana tany Glasgow tamin’ny 2021, hoy hatrany ny WWF. Koa tokony mitazona ny fampanantenana nomeny ireo lehibe. « Tokony ho « COP africaine » iny natao iny, saingy tsy namaly ny laharam-pahamehana ho an’i Afrika. Hiaraha-mahalala fa i Afrika no voalohany voadona mafy », hoy ny talen’ny WWF aty Afrika, Alice Ruhweza.

Ho an’i Afrika

« Efa hitanay ny fiantraikany ratsy aty amin’ny kaontinanta. Mendrika ny tahiry hanampiana ireo tena voa mafy noho ny toetr’andro, saingy tsy hita izany raha tsy misy ny fampiharana azy », hoy ihany ny talen’ny WWF aty Afrika. « Hampirisihanay fa tokony hisy vola tokoa io tahiry io, ahafahanay mahazo antoka fa misy tokoa ny rariny sy hitsiny. Koa miandry ny famatsiam-bola izahay mba handraisana fepetra aty Afrika. Nefa averinay hatrany fa tsy hita io famatsiam-bola io », hoy hatrany ny talen’ny WWF aty Afrika.

54 % mitroka CO2

54 % amin’ny natiora izao mitroka CO2 ataon’ny zanak’olombelona tato anatin’ny 10 taona farany. Koa tokony jerena izay lafiny natiora izay, hoy ny WWF. Na eo aza ny vokatry ny COP27, antenaina ihany ny tenin’ireo firenen-dehibe momba ny fanomezan-toky nataony. Ny krizy noho ny toetr’andro miantraika amin’ny olona sy ny toerana rehetra, mitarika tsy fandriampahalemana eo amin’ny samy firenena.

 

Ndrina

Partager sur: