Alakamisy Fenoarivo: lehilahy iray maty tampoka tao anaty hotely

Maty tampoka tao anaty hotely tetsy Alakamisy Fenoarivo ny raim-pianakaviana iray, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Niaraka tamin’ny sakaizany, nisafidy hamita ny alina tao amin’io hotely fandraisam-bahiny io izy roa ireo. Nandritra ny alina, nanao ny fanaon’ny mpifankatia izy ireo. Kinanjo noho ny akaiky marain’ny alatsinainy, nitambotsotra tampoka ralehilahy. Niantso vonjy tany amin’ny tomponandraikitry ny hotely avy hatrany ilay vehivavy sakaizany. Tsy niaina intsony anefa ilay raim-pianakaviana. Niala nenina noho izany ireo olona tao amin’ny trano fandraisam-bahiny sy io sakaizany io. Tsy tana intsony anefa ny ain’ity farany.

Tsy nahitana ratra na vono

Tonga nijery ny zava-nisy, nanao fizahana ny razana ny mpitsabo sy ny zandary avy ao Fenoarivo. “Tsy nahitana ratra na vono ny vatan’io lehilahy io”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny Borigadin’i Fenoarivo. Taorian’ny fitilin’ny mpitsabo kosa, voalazan’ny mpitsabo fa nihinana zavatra mampahatanjaka ity lehilahy ity. Nijanona tampoka vokatr’izany ny fon-dRalehilahy ka nitarika tamin’ny famoizan’ aina izany. Nohazonina atao fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny zandary ilay vehivavy sakaizany. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: