Eran-tany

Ireo firenena matanjaka indrindra ara-toekarena, taona 2022, dia voalohany Etazonia, Chine, Japana, Alemaina, araka ny fandaharan’ny Banky iraisam-pirenena azy. Ny harinkarena faobe (PIB) any amin’ireo firenena ireo nandaharana azy ireo. Mafy ho an’ny firenena maro eo amin’ny fihariana ny valanaretina sy ny faharetan’ny ady any Ukraine, ary vao mainka nanampy ny fiovan’ny toetr’andro, izay mandreraka firenena maro, indrindra aty Afrika.

 

Mahita fa mitombo hatrany amin’ny 20 % vidin-jiro any Frantsa, indrindra ho an’ireo mampiasa fanafanàn-drano amin’izao fotoana ny hatsiaka izao. Tokantrano manodidina ny 100 000 nanontaniana nilaza ny fitombon’ny fandaniana nanomboka tamin’ny 2020. Amin’ny 2023, vao mainka hiakatra izay fandaniana eo amin’ny lafiny angovo izay. Efa hita tsikelikely ny fisondrotana na amin’ny vidin’ny gazy aza.

 

Manantena hatrany ny Japoney fa ho tonga any amin’ny volana ihany ilay zanabolana kely Artémis I. Efa nisidina kely teo amin’ny volana ry zareo ny 16 novambra lasa teo, saingy tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fanirian’ny Omotenash : hipetraka eo amin’ny volana.Tsara ho fantatra fa mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity zanabolana kely ity.

 

Tanora vao misandratra (start-up) 50 no fantenana amin’ny taona 2023 anatin’ny orinasa iray any Frantsa. Izany dia noho ny sondrom-bidy misy ankehitriny. Manontany tena ireo tanora ireo raha mba hasondrotra ihany koa ny karamany na tsia. Mana-piniavana hiasa tokoa ireo tanora ireo, raha ny takiana aminy : fivoarana, lanjan’ny orinasa, tontolon’ny asa, fahaizana.

 

Partager sur: