Nirefodrefotra ny basy, lavon’ny zandary ireo roa lahy nikasa hanao fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Fiadanana, kaominina Androvakely, distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Nitondra basy niampy zava-maranitra toy ny antsy sy famaky izy mirahalahy ireto. Taorian’ny nametrahan’ireto mpaka an-keriny ireto ny taratasy fampihorohoroana ireo mponina tao amin’io kaominina io, niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Nilaza ireto jiolahy ireto fa hanao fakana an-keriny ary hisy ny fanerena handoa vola antapitrisany. Raikitra anefa ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireto olon-dratsy ireto. Vokany, voatifitra tao amin’ny tanànan’i Mananjary, anatin’ny kaominina Androvakely izy mirahalahy ireo. Nogiazana ny fitaovam-piadiana tra-tehaka teny amin’ireo farany. Raha tsiahivina, toerana anisan’ny ahitana mpaka an-keriny matetika ao amin’ny distrikan’Anjozorobe, saingy manao ny ainy tsy ho zavatra ireo zandary. Manampy azy ireo koa ny fisian’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana.
Tsiferana Randriatiana