Fiarovana ny tontolo iainana: takiana ny fanavaozam-pitantanana

 Laharam-pahamehana ho amin’ny fahombiazan’ny rariny sy ny hitsiny ara-tontolo iainana ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny atrikasa niarahan’ny teo anivon’ny mpanelanelana ara-drariny ny Repoblika, ny tetikasa Hay Tao USAID ary ny vovonam-pirenena natolotra tetsy Antaninarenina, omaly.

Manoloana ny loza mihatra amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana, nanao atrikasa an-databatra boribory hamahana ny tsy rariny amin’ny fanimbana tontolo iainana sy hampiroboroboana ny fampiasana am-pahendrena sy maharitra ny harena voajanahary sarobidy eto amin’ny firenena izy ireo. Tapaka tamin’izany fa tokony hanaganana rafitra fandrindrana ny asa ho an’ny hetsika ataon’ny governemanta. Eo koa ny fampiharana ny fanavaozam-pitantanana amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana. «Iharan’ny tsy rariny ny vondrom-piarahamonina eny ifotony ka mitarika azy ireo handika lalàna mba hivelomana », hoy ny Talen’ny biraon’ny tontolo iainana ao amin’ny USAID, i Agathe Sector, nandritra ny atrikasa. Mila havaozina hifanaraka amin’ny zava-misy noho izany ny Dina ho fitaovana hitantanana ny faritra eny ifotony. Anisan’ny tsoa-kevitra tamin’ity atrikasa ity koa  ny hampidirana ny tontolo iainana, ny zon’olombelona ary ny fampandrosoana amin’ny fandaharam-pianarana. Nohamafisin’izy ireo ny fifandraisana lehibe misy eo amin’ny fananantany sy ny rariny ara-tontolo iainana ary ny fiantraikan’ny fomba fitantanana ny harena voajanahary, toy ny fiarovana ny loharanon-drano fisotro, amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Marihina fa maneho ny fanohanana hatrany ny andrim-panjakana malagasy amin’ny famolavolana politika sy ny fampiharana ny lalàna momba ny tontolo iainana sy ny fananantany ny USAID. Tanjona ny  hanatsarana ny rafitra ara-dalàna amin’ny fitantanana ny harena voajanahary. Tsiahivina, nanome 60 tapitrisa dolara mahery ny USAID entina  hampiroboroboana ny fampandrosoana lovainjafy, hanatsarana ny fiveloman’ny vondrom-piarahamonina eny  ifotony, hampiatoana ny fanondranana biby an-tsokosoko, ary hiarovana ny ala amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna nanomboka ny taona 2013.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: