Nariana tao anaty dabam-pako : fatim-behivavy nodorana!

Hita tao anaty dabam-pako ny fatim-behivavy iray, omaly, teny Talatamaty,Ambohidratrimo. “Novonoina dia nodorana, avy eo natao tanaty gony izy”, hoy ny mpitsabo sy ny zandary nanao fizahana teny an-toerana.

Fatim-behivavy efa may sady nifatotra tao anaty gony hitan’ny fokonolona teny amin’ny fokontany Fitraofana, Kaominina Tala­ta­maty, distrikan’Ambohi­dra­tri­­mo, omaly maraina. Mpa­nary fako maraina no nahita ny tongotr’io vehivavy io niraviravy ivelan’ny gony. Niho­raka, ni­antso ny mponina manodidina izy. Nampandre ny lehiben’ny fokontany sy ny mpitandro filaminana ireto farany. No­sokafan’ny tomponandraikitra ilay gony. Vehivavy simba endrika tanteraka vokatry ny fandorana azy no tao anatiny. “Efa nodorana izy vao nafenina tao anatin’io gony io”, araka ny fizahana na­taon’ny mpitsabo sy ny fanadihadiana savaranonandon’ny zandary.

Nahitana firavaka ny tanany havia ary famantaranandro ny tanany havanana. Nitily ny razana ny solontenan’ny mpitsabo avy ao amin’ny CSBII Talatamaty. Voamarina fa vehivavy fotsy fihodirana ma­nodidina ny 35 taona izy, mirefy 1,56 m. Kilan’ny afo avokoa ny akanjo teny an-kodiny. Vinavinain’ny mpitsabo mpanao fitiliana ho efa maty telo andro lasa teo io vehivavy io.
Atao andrimaso

Misy lehilahy iray mpitsimpona fako teny an-toerana nohazonina sy natao andrimaso. Nisy nahita nitondra zavatra tamin’ny gony io lehilahy io. Nandoro zavatra teo amin’ny fako izy tamin’ny 4 ora maraina. Mety ho vadin’ity farany ilay ramatoa hita faty, raha ny filazan’ny mponina nanatri-maso teny an-toerana. Nosavaina ny tranon’ilay lehilahy io sy ny vadiny. Tsy nahitana na inona na inona, saingy voalazan’ny loharanom-baovao fa naharenesan’ny zandary fofona maimbo tao.
Nanambara ilay voasambotra fa lasa nody any amin’ny fianakaviany any Ambositra ny vadiny. Marihina, vao avy namita sazy tany am-ponja vokatry ny fanimbana fananan’olona nateraky ny hamamoana izy, ny volana avrily lasa teo. Naterina eny amin’ny tranom-paty ao amin’ny CHUJRA, Ampefiloha ny razana.

Tsiferana R.

Partager sur: