Vono olona Imerinkasinina: polisy ny efatra tamin’ireo 12 voasambotra

Nahatratra 12 ireo olona voasambotry ny zandarimaria momba ilay vono olona mahatsiravina teny Imerinkasinina. Polisy am-perinasa ny efatra ary kaomisera ny iray.

Nahatratra 12 ireo olona voasambotry ny zandarimariam-pirenena tamin’ilay famonoana mpirakidraharaha sy mpamory hetra teny Imerinkasinina, ny herinandro teo. Voatondro ho tompon’antoka mivantana sy ankolaka ary niray tendro tamin’izany ny polisy miisa efatra. Am-perinasa avokoa izy rehetra ary kaomisera ny iray. Ao koa ny teratany sinoa miisa roa, lehilahy vao nivoaka ny fonja ny iray raha vehivavy kosa ny iray hafa. Ankoatra azy ireo, olona miisa enina hafa voasaringotra amin’ity vono olona mahatsiravina ity. Misy efa mpamerin-keloka sy indroa nifonja mihitsy ireto farany. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana izy 12. Fiarovana ara-tombotsoa manokana ny antony nahatonga ity tranga ity, raha ny fanadihadian’ny zandarimariam-pirenena.

Narahi-maso

Tsiahivina fa tamin’ny alatsinainy 14 novambra teo ity zava-doza ity. Tamin’io fotoana io,  niresaka tao anaty fiara ilay mpirakidraharaha sy mpamory hetra. Tampoka teo, nisy olona roa nanatona ilay fiara ka nitifitra avy hatrany. Voatifitra indroa teo amin’ny tratrany ilay lehilahy raha tifitra tokana monja kosa no natao an’ilay vehivavy. Taorian’izay, nandositra ireo roa lahy raha niezaka nitsoaka nitondra ilay fiara ihany ilay mpamory hetra. Mafy anefa ny voina nahazo azy ka tsy voafehiny intsony ny familiana. Vokany, nidofotra mafy tamin’ny rindrin-trano tsy lavitra teny ilay fiara tsy mataho-dalana. Potika tanteraka izany. Ireo voatifitra kosa namoy ny ainy teny an-dalana nihazo ny HJRA. Minitra vitsy taorian’io, tonga teny an-toerana ny zandarimaria nanao ny hazalambo. Voasambotra ny andron’io ihany ny iray tamin’ireo voalaza ho nahavanon-doza. Azo teny aminy koa ny basy nampiasaina. “Ny ampitson’io, olona dimy hafa koa voasambotra izay nifandray mivantana tamin’ireo resaka vono olona ireo”, hoy ny fanazavan’ny kolonely Randrianarijaona Jocelyn, kaomandin’ny CIRGN Antananarivo.

 

Henintsoa Hani

Partager sur: