Niatrika ny lalao faharoa, amin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanan’ny BAL (Basketball Africa League), ny Cospn Madagasikara, omaly. Mbola resy fanindroany indray izy ireo taorian’ny faharesena voalohany, ny talata lasa teo. Ny ekipan’ny Ferroviario Da Beira avy ao Mozambika no nifandona tamin-dry Elly sy ry Jerry, tao amin’ny kianjan’ny Ellis Park Arena Johannesburg, ka nandavo azy ireo tamin’ny isa 84 no ho 53. Mavesatra ny elanelan’isa raha io vokatra io satria nihoaran-dry zareo Mozambikanina 31 isa be izao ny ekipa malagasy. Hita taratra hatrany am-panombohan’ny lalao ny tsy fifantohana loatra teo amin’ny Malagasy, nanampy trotraka ny tsy fahatomombanan’ny isa 3 nataon’i Jerry, izay niverimberina matetika. Tetsy ankilany anefa, nahomby hatrany ny fanafihana ho an’ny mpifanandrina ka niakatra tsikelikely ny isany. Teo am-piafaran’ny ampaham-potoana faharoa no efa fantatra fa tsy ho tratra intsony ny isa teny amin’ny solaitrabe satria 23 no ho 54 ny nisaharan’ny roa tonta teo am-pialana sasatra. Tsy tratra intsony ny elanelana na dia niezaka nanenjika ihany ry Bila sy ny namany, ka niondrika nanoloana an’i Mozambika tamin’ny isa 53 no ho 84 i Madagasikara.
Mi.Raz