Bodybuilding-tompondaka eran-tany: Malagasy roa hihazo an’i Thaïlande

Atleta roa (lahy sy vavy) nisalotra ny tompondakan’i Madagasikara 2022, eo amin’ny taranja Bodybuilding, no fantatra fa hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany hatao any Thaïlande, ny 12 desambra ho avy izao. Noho ny fanasana voarain’i Madagasikara avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena no antony handehanan’izy mianadahy amin’ity fifaninanana ity. I Fitiavana Antenaina, atleta avy any Boeny, tompondakan’i Madagasikara, Bodybuilding sokajy 70kg-80 kg, ny iray. Nahazo ny anaram-boninahitra tamin’io tompondaka nasionaly 2022 io, teo amin’ny sokajy rehetra izy. Anisan’ny Malagasy hihazo an’i Thaïlande ihany koa ny andriambavilanitra, i Stessi, atleta avy any Vakinankaratra, 2e Dauphine teo amin’ny fifaninanana Bikini.

 

Mbola tsy ampy ny hoenti-manana

Na efa ofisialy aza ny handehanan’izy mianadahy ireto amin’ity fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny taranja Bodybuilding ity, mbola tsy ampy ny hoenti-manana amin’izany, araka ny fanazavan’izy ireo. Mbola mila fanohanana ara-bola hahafahana mihazo an’i Thaïlande, ka mangataka ireo malala-tanana sy izay afaka manampy azy ireo.

 

Mi.Raz

Partager sur: