Mbola maro ny lesoka tsy hahafahan’ny fokontany mandroso eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny fahatsapana izany no nanosika ny fikambanana maro hanome tanana ny ben’ny Tanàna ka nanao soniam-piaraha-miasa tamin’ny kaominina. Mba hahafahana mampandroso misimisy kokoa ny tanànan’Antananarivo, raha ny fanazavana nataon-dRandrianandrasana Frederic, filohan’ny fikambanana Arofanina.
Tanteraka omaly, araka izany, ity fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo fikambanan’ny mponina eny anivon’ny fokontany ato anatin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra ity. Fikambanana miisa sivy izy ireo no nanao izany teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. Anisan’izany ny Fivoarana, Misandratra, Arofanina, Fanilo, Mpanazava, Manorintsoa…. Izay mivondrona ao anatin’ny boroborintany fahefatra, voalohany, faharoa, ary fahenina.
Mitaky asa sy hetsika maro eny anivon’ny fokontany ity fiaraha-miasa ity, raha ny fanazavana hatrany. Toy ny fanamafisan’orina sy fanatanterahana ny lalàna sy fitsipika mifehy ny fahasalamana (CMH). Voakasik’izany ny fahadiovan’ny toerana rehetra. Eo koa ny fanabeazana sy fitaizana ny mponina hiady amin’ny kolikoly. Mba hisian’ny rafitra tsara tantana eny anivon’ny fokontany.
Tanjona, araka izany, ny hitondran’ny mponina ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Tafiditra amin’ny fanohanana sy fanohizana ny asa ataon’ny ben’ny Tanàna. Misy ny tatitry ny asa ataon’izy ireo any amin’ny kaominina, araka izany, isaky ny enim-bolana, raha ny fanazavana hatrany.
Ny lanonana dia natrehin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, sy ny mpiara-miasa aminy, ireo filoham-pikambanana tsirairay avy ary ireo mpikambana ao anatiny. Tsiahivina fa efa nisy ireo fikambanan’ny mponina nanao izao soniam-piaraha-miasa izao teo aloha. Toy ny teo anivon’ny boriborintany fahadimy. Taorian’ny lanonana, nisy ny dinika nataon’ireo fikambanana sy ny vaomieran’ny asa tsara tantana, mikasika ny asa hatao.
Mino ( Mpianatra Asa)