Nihaona tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpivarotra avy ao amin’ny pavillon Analakely, omaly, teny amin’ny tranompokonolona Analakely. Notarihan’ny solontenan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra pavillon Analakely izany.
Famahana ny disadisa misy eo amin’ny samy mpivarotra eny an-toerana no anton’ny fihaonana. “Misy ny tsy mankasitraka ny birao mitantana ny tsena eny an-toerana ankehitriny ka maniry fananganana birao vaovao, misy kosa ny tsy manaiky izany”, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny mpivarotra teny an-toerana.
Mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny mpivarotra, efa nahavita sonia ireto mpivarotra eny Analakely ireto raha nanontaniana. Tanjona tamin’ny fihaonana ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Vokany, tapaka fa mila hajaina ireo lalàna mifehy ny tsena, na ho an’ny mpivarotra na ho an’ny birao mitantana na ho an’ny kaominina. Raha misy mikasa hanangana birao vaovao, tsy maintsy miantso ireo antsasa-manilan’ny mpivarotra rehetra eny an-toerana izy ireo, indrindra ireo birao mitantana ankehitriny. Mandritra ny fifampiresahana amin’izany no hifidianana ny birao vaovao. Azon’ny mpivarotra atao ihany koa ny mangataka ny hisian’ny fifidianana vaovao raha tsy mety aminy ny birao mitantana ankehitriny, raha ny fanadihadiana natao teny an-toerana hatrany.
“Tsy tokony hisy intsony ny olana eo anivon’ny pavillon Analakely satria manana ny sata mifehy azy manokana ny tsena”, hoy i Lantoniaina Sarah, filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra Analakely. An’ny kaominina ihany koa ny tsena fa tsy an’olon-tokana, ka tokony hifanaja hatrany ny rehetra, araka ny nambarany hatrany.
Marihina fa efa eo an-dalam-panaovana ny karatra nomerika ireo mpivarotra eto Antananarivo, ankehitriny, raha toa ka efa 250 ireo mpivarotra nahazo izany ho an’ny eny Analakely fotsiny. Mahatratra hatramin’ny 650 isa ny fitambaran’ireo mpivarotra eny Analakely.
Mino ( Mpianatra Asa)