Handball – IHF Trophy U20 lehilahy: tsara fanombohana ny Akio Madagasikara

Nahomby ny Akio androany, tsara ny vokatra azon’izy ireo tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito ity, taranja handball, sokajy U20 zazalahy i Madagasikara, lavon’izy ireo tamin’isa 38 sy 28 ny Maorisianina.

Lavon’ ny Akio de Mada­ga­sikara tamin’ny isa 38 sy 28 ny Maorisia­nina. Lalaom-panokafana no­tanterahina tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina, omaly, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball zazalahy U20. Nanjakany Akio tanteraka ny lalao, satria izy ireo hatrany no nitarika tamin’ny fizarana voalohany, 23 sy 13 ny isa teny amin’ny solaitra.

Marihina fa i Seychelles no hifanandrina amintsika, rahampitso, eny an-toerana ihany. Tsiahivina, miisa telo ireo firenena heady, izay ho lohany amin’izany dia ny Akio Madagascar, i Seychel­les ary i Maorisy. Tsy anisan’ireo tonga kosa ry zareo Kaomorianina. Manan-danja ity fifaninanana ity, satria hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka kaontinantaly hatao any Congo Brazzaville, ny 12 ka hatramin’ny 18 desambra ho avy izao, izay voalohany isam-paritra. Hiatrika ny “Mondial 2023” kosa izay tompondaka amin’io. Ity dia fifaninanana natokana ho an’ireo firenena tsy tafita tamin’ny Can, ny IHF Trophy U20. Faritra dimy no mifaninana amin’izany dia ny 2 ; 3 ; 4 ; 5 ; 6.

Mbola vonona foana ireo mpilalao 14 mirahalahy miatrika ny fifaninanana, fa miantso ny mpijery kosa ho tonga hanotrona azy ireo amin’ny lalao manaraka satria hery lehibe ho an’ireo boaikely ireo ny fisian’ny mpanohana.

Tsara ny manamarika fa tokony hampiantrano ity fifaninanana ity ry zareo Kao­morianina, saingy noho ny antony manokana, tsy vitan’izy ireo ny mandray izany ka nafindra eto Madagasikara. Marihina fa tsy ho tapitra ity fifaninanana ity raha tsy amin’ny alahady 27 novambra ho avy izao.

Fitia ( Mpianatra Asa)

Partager sur: