Lehilahy 18 sy 27 taona indray no saron’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny, omaly, tetsy Isotry. Nanararaotra ny hamaroan’ ny mpivezivezy izy roa lahy ireto ka tsy nisalasala nangarom-paosy teny an-toerana. Malaza ratsy sy mampitaraina ny olona rahateo izy ireo ka narahin’ny polisy maso. Nahitam-boakany izany ka tratra am-bodiomby ara-bakiteny ireo mpangarom-paosy. Sarona nanao ny asa ratsiny teny Isotry izy roa lahy ka noraisim-potsiny. Nandritra ny fisavana natao, nahitana “lame” maromaro tany amin’ireto jiolahy. Ampiasain’izy ireo entiny hanaovany ny asa rasiny. Araka izany, betsaka ireo efa lasibatr’izy roa lahy sy velon-taraina amin’ity harom-paosy ity. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy eny Tsaralalana avy hatrany ireto voasambotra taorian’ izay.
Henintsoa H.