Judo-Tournoi International: efa tonga omaly ny Renioney

Hanomboka, anio, etsy amin’ny kianja mitafon’An­ko­rondrano ny fifaninanana « Tournoi International de Judo ». Ny fanamarinana ireo delegasiona vahiny avy amin’ny Nosy rahavavy ny ha­nombohana ny fandaharam-potoana ho amin’ny anio. Hitohy amin’ny fihaonan’ny mpitsara sy ny fivoriana ara-teknika ary antsapaka izany avy eo. Hatreto, firenena miisa 2 no nilaza fa hoavy hiatrika ity fifaninanana ity.
Efa tonga, omaly, teto Mada­gasikara i La Réunion, raha toa ka milaza ny ho avy kosa i Kaomoro, raha ny vaovao azo avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Judo. Araka ny fandaharam-potoana hatrany, rahampitso asabotsy 26 novambra vao tena hiaka-tsehatra ireo mpikatroka ka ny fifanintsanana ny hanombohana izany, eo amin’ny sokajy -48 kg , -52 kg , -57 kg , 63 kg, eo amin’ny sokajy vehivavy ary ny sokajy -60 kg, -66 kg, -73 kg kosa eo amin’ny sokajy lehilahy. Hitohy amin’ny -70 kg , -78 kg et + 78 kg, sokajy vehivavy sy -81 kg, -90 kg , -100 kg, +100 kg, sokajy lehilahy, izany, ny alahady maraina. Hotanterahina ny alahady hariva kosa ny famaranana rehetra.
Judokas malagasy 57 hifaninana
Tsy ho diso anjara fa handray anjara mavitrika amin’ity fifaninanana ity ny judokas malagasy. Miisa 57 mianadahy manerana ny Nosy ny mpikatroka malagasy, hifaninana amin’ireo kalaza renioney sy kaomorianina. Miandrandra ny handrombaka medaly volamena maro i Madagasikara amin’ity.

Mi.Raz

Partager sur: