Notsipihin-dRakotondrainibe Herivelo, manam-pahaizana amin’ny rano (hydrologue), fa fototry ny fiveloman’ny mponina ny fifehezana ny rano manoloana izao fiovan’ny toetr’andro izao. Nosinganiny fa ampy tsara ny tahirin-drano any amin’ny faritra niasan’ny Base Toliara, araka ny fanadihadiana nataony.
Manam-pahaizana amin’ny rano Rakotondrainibe Herivelo. Aminy, ilaina ny fametrahana drafitrasa mazava amin’ny sehatry ny famatsian-drano fisotro ho an’ny rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ny vahoaka amin’ny tondra-drano, ny fihotsahan’ ny tany sy ny trano, ny aretina sy ny valanaretina, ny loto, sns. Mifototra amin’ny lohahevitra dimy ity paikady ity. Isan’izany ny fijerena ny tontolo manodidina, isian’ny loharano, ahafahana mandrindra sy mitantana ny asa hatao.
Nomarihiny koa fa misy ny vaovao, ny fanabeazana ary ny fanetsehana (IEM)*, hifehezana tanteraka ny rano iarahana amin’ny mponina eny ifotony, miaraka amin’ny fepetra mifandraika aminy. Aminy, mila ampiharina ara-bakiteny koa ny lalàna sy ny fepetra mifehy ny rano, fidiovana sy fahadiovana (EAH), ny fikirakirana ny antontam-baovao, ny fanaraha-maso sy ny fanombanana (BDEAH-SESAM). Manampy ireo ny asam-baomiera tena misahana ny fitantanana ny rano (GIRE).
Nomarihin-dRakotondranibe Herivelo, fa nisy vondrona teknisiana malagasy, namolavola drafitrasa, mitanisa ny olana sy ny vahaolana ary ny famatsiam-bola hitantanana ny rano eto Madagasikara, saingy tsy tafatsangana hatramin’izao.
Fanazavana mikasika ny Base Toliara
Namolavola ny sarin-tany mikasika ny rano an-tanety sy ny ambanin’ny tany eto Madagasikara ity teknisianina ity. Nahafahany nanao fanadihadiana amin’ny antsipiriany manerana ny faritra maro, ka isan’izany ny tetikasa Base Toliara. Izy no nandalina mikasika ny mombamomba ny ambanin’ny tany any Manombo Toliara, voakasiky ny tetikasa.
Tsiahivina fa any amin’ny kaominina Ankilimalinika sy Tsiasiha, distrika Toliara II ny tetikasa Base Toliara.
Navoakan-dRakotondrainibe Herivelo daholo ny antsipiriany amin’ny fanadihadiana nataony amin’ny lafiny joelojia, ny rano, ny rano ambanin’ny tany ary ny mikasika ny tontolo iainana.
Fantatra fa tsy mandany ny tahirin-drano ambanin’ny tany velively ity tetikasa Base Toliara, araka ny voalazan’ny lalàna. Tsy miantraika amin’ ny lafiny rano ambanin’ny tany any Manombo.
Tsy ampiasaina ny 96,59%
Notsipihiny fa azo antoka ny fitantanana ny rano any ambanin’ny tany nataon’ny Base Toliara. Tsy misy afa-tsy 7,773 m3 isan-taona ny rano ilain’ity orinasa ity, izany hoe, ny 0,05% monja amin’ny tahirin-drano any ambanin’ny tany misy any an-toerana, izay tombanana hatrany amin’ny 15,495 miliara m3 isan-taona. Tombanana 518 tapitrisa m3/ taona ny rano ilaina amin’ny fambolena sy ny fiompiana (3,36 %). Manome 527 tapitrisa m3/taona ireo raha atambatra. Izany hoe, mbola misy ambina tahirin-drano 14,951 miliara m3/taona na 96,59%.
Mandravona ireo Rakotondrainibe Hervelo, fa tokony hotrandrahina araka ny tokony ho izy ny tahirin-drano any amin’iny faritra iny. Isan’ ny efa nisantatra izany ny Base Toliara, nanao lavadrano, manodidina ny faritra hotrandrahiny, mba hisitrahan’ny mponina any an-toerana rano azo ampiasaina amin’ny filany samihafa.
Njaka Andriantefiarinesy