Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana ny Italianina amin’ny fiadinan’ny amboara Davis na ny “Coupe Davis”. Resin’i Fabio Gognini sy Simone Bolelli ry Tommy Paul sy Jack Sock tamin’ny seta (6-4, 6-4) amin’ny tenisy an’olon-droa, tany Malaga, omaly. Izy ireo izany no firenena fahatelo tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana taorian’ny Aostralia sy Espaina. Andrasana, araka izany, hoe iza amin’i Canada sy Alemainina no hifanandrina aminy. Italia izay nandrobaka ny amboara tamin’ny 1976 ary nanao famaranana in-6 tamin’ny 1960, 1961, 1977, 1979, 1980, ary 1998.
Tsiaivina fa izao indray ny Italianina no hiatrika lalao manasa-dalana, rehefa tsy tafakatra tamin’ izany taorian’ny taona 2014.
Fitia (Mpianatra Asa)