Nikasa hihazo ny trano fenenany, nifanehatra tamin’ny jiolahy ka maty voavely hazo be ny raim-pianakaviana iray ny herinandro lasa teo.
Mitady hahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana ao
amin’ny distrikan’i Betafo. Ny asabotsy lasa teo, mpianaka roalahy hamonjy fodiana any Ambatonikolahy no lasibatry ny asan-jiolahy. Samy voavely “bois rond” izy mianaka ireto tamin’io fotoana io. Vokany, maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana 47 taona raha naratra mafy kosa ny zanany lahy vao 20 taona”, hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena ao an-toerana. Tsy nisy nahita ny tranga ary efa hariva mihitsy vao tsikaritr’ ireo mpandalo izy mianaka nitsirara tamin’ny tany. Vokany, vao nikoropaka nitondra azy teny amin’ny hopitaly ny fokonolona, hoy hatrany ny polisy.
Voaroba ny vola
Tsy vitan’ny nandatsak’ ain’olona ireo jiolahy fa mbola nandroba azy mianaka. Lasa tamin’izay ny vola teny amin’izy mianaka saingy tsy mbola voafaritra mazava izany.
“Mpivarotra izy mianaka ireto ary mbola niara nisotrosotro tany an-tsena vao namonjy fodiana, raha ny angom-baovao hatrany. Nandrasan’ireo jiolahy tamin’ny toerana mangingina izy mianaka ireto ka nanamparany ny asa ratsiny. Hatreto tsy mbola misy ny olona ahiana nahavita ity habibiana ity, tsy mbola misy manaraka izay ireo voasambotra. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola manohy mitsabo tena eny amin’ny hopitaly ilay tovolahy 20 taona. Efa tsy ahiana ny fahasalamany saingy mbola voatazona eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tenany. Ankehitriny, manao antso avo hijerena ny tsy fandriam-pahalemana ao an-toerana ny tompon’andraikitra sy ireo olom-boafidy ao Ambatonikolahy.
Henintsoa Hani