Nanao ranolava ny fitsidihan’ireo vahiny. Nandray ny masoivoho vaovao maromaro ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazoarivo. Anisan’izany ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE), Isabelle Delattre Burger.
Nivoitra tamin’izany ny fanohanan’izy ireo hatrany ny zotram-pampandrosoana eto amintsika. Voatsiahy ny fametrahana ny demokrasia, ny fanajana ny zon’olombelona, ny ady amin’ ny herisetra. Voaresaka tamin’izany koa ny fitantanana ny firenena. Anisan’izany ny momba ny fampiasana ny volam-panjakana sy ny ezaka ataon’ny Banky Iraisam-pirenena, indrindra ny fanohanan’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) hanomanana ny ampahan’ny famatsiam-bola manaraka. Noraisin’ny lehiben’ny governemanta koa ny ambasadaoro vaoavaon’i Japon, i Abe Koji. Nivoitra tamin’izany ny sehatry ny fiaraha-miasa sy ny fampiasam-bola ataon’ny Japoney eto amintsika. Anisan’izany ny ao Ambatovy. “Hotohizana ny fanatanterahana fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fambolena sy ny fametrahana fotodrafitrasa”, hoy ny vahiny.
Fampiasam-bola ataon’ireo orinasa Tiorka
Niompana amin’ny fiaraha-miasa koa ny resaka nifanaovan’ny praiminisitra, tamin’ny ambasadaoro vaovaon’i Torkia, Ishak Ebrar Cubukcu. Nambaran’ity masoivoho ity fa hohamafisina izany. Hojerena ny fomba hampiroboroboana ny fampiasam-bolan’ireo orinasa Tiorka ho avy eto amintsika, araka ny nambarany. “Hampifandraisana amin’ny zotram-pampandrosoana ampiasain’ny fitondram-panjakana izany”, hoy izy.
Synèse R.