Lasibatry ny asan-jiolahy ny toby FLM Soatanana Ilafy, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Voaroban’ireo olon-dratsy ny “groupe électrogène sy ny kojakojan-dakozia maro samihafa tao an-toerana. Tsy nisy nahita sady tsy nisy naheno ity tranga ity. Maraina ny mpiambina vao nahita ny zava-nisy ka nampamndre ny manodidina. Nantsoina ihany koa ny zandarimarian’Ankadikely. “Fiangonana vao amboarina izy io ary mbola tsy vita ny varavarana”, hoy ny fanazavany. Antony nahamora ny asa ratsin’ireo jiolahy. Afakomaly, nisy mpiasa maromaro tao amin’ity fiangonana ity nametaka “carreaux”. Tsy mbola misy herinaratra rahateo ny fiangoanana ka voatery nampiasa “groupe” ireo mpiasa. “Tratra hariva anefa ny asa ka tsy nisy fiara nananterana ilay “gpoupe” intsony. Vokany, najanona tao an-toerana izany”, hoy ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany maraina teo, mbola nanao ny asany nijery teny amin’ny manodidina ny mpiambina. Tsy nisy nipika ny entana rehetra. Tokony ho tamin’ny 04 ora maraina kosa, tsikritr’ireo mpanadio fiangonana fa very ireo entana voalaza etsy ambony.
Tsy misy nipika
Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola tsy nisy mangirana ny momba ity vaky trano ity. Tsy mbola misy ireo voasambotra, saingy hanaovana fanadihadiana eny amin’ny zandary ilay mpiambina sy ny tomponandraikitry ny kaomitim-piangonana. Tsy vao izao no lasibatry ny asan-jiolahy ny fiangonana. Efa maro ny voaroba entana, eny, hatramin’ny rakitra aza norobain’ireo tsy mataho-tody. Tsy eto an-drenivohitra ihany anefa ity halatra ao am-piangonana ity fa hatrany amin’ny faritra mihitsy. Nisy fotoana nanaovan’ireo jiolahy “opération” mihitsy ny lakolosim-piangonana. Hatreto, tsy mbola fantatra ny antony hangalaran’ireo jiolahy izany.
Henintsoa H.