Mpanoratra nasongadin’ny «Facebook»: nomena ny voninahitra mendrika azy i Bao Florine

Lanonana manetriketrika ! Nomena ny voninahitra mendrika azy i Bao Florine. Izy ilay ramatoabe nalaza nandritra ny herinandro maromaro, tao anatin’ny tambajotran-tserasera “Facebook”.

Tontosa, omaly, tetsy anoloan’ny Ivokolo An­a­lakely ny lanonana na­no­mezana ny mari-boninahi-pirenena “Officier de l’Ordre National” an’i Bao Florine. Poeta, mpanoratra amin’ny teny malagasy sy frantsay izy, fantatra ihany koa amin’ny solon’anarana Fanilonihaba­ka­baka. Narahina ny fanolorana ny “Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture” avy amin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana izany. Nomena azy noho ny herim-po sy ny finiavana nasehony, izay takontakona tany ka tsy nipoitra raha tsy izao amin’ny faha-83 taonany izao izany. Tsy vitan’izay fa nampahafantarina ary nivoaka omaly ihany koa ny boky «Ny diampenin’i Bao Florine Gentillesse», izay noraisin’ny minisitra an-tanana ny fanontana azy, ka homena manontolo ny mpanoratra ny vidin’ny boky, ho fankasitrahana azy hatrany.
«Modelin’ny fiezahana, modelin’ny fikarohana ny fahalalana ankapobeny no modelin’ny fihavanana i Bebe Bao Florine… Raha ny tokony ho izy, tsy izao fotsiny ny fanomezam-boninahitra natao azy fa tena mendrika azy izany… Tokony hampiasaina amin’ny zavatra tsara toa izao ny tambajotran-tserasera, mba hifampizara ny soa sy hifanavotana”, hoy ny filazan’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony.
“Ny hafatro aminareo tanora, miezaha foana amin’ny tenindrazantsika fa io no antsika. Fa mila fehezina koa ny teny vazaha… Dia miezaha foana amin’izay atao rehetra fa mirary soa ho anareo aho. Tsy haiko intsony izay hasiako ny tenako fa faly loatra aho”, hoy ny filazan’i Bebe Florine, raha nanontanian’ny mpanao gazety.
Volamena latsaka
am-bovoka…
“Volamena latsaka am-bo­vo­ka, ka tsy avelan’ny hasiny tsy hamiratra”, hoy ny oha-pi­te­nenana. Izay tokoa no hamehezana ny tantaran’i Bebe Bao Florine. Fantatrao moa, fa efa 83 taona izy izao? “8 ampiana 3, mira 11. Mbola 11 taona aho izao”, hoy ny vazivaziny. Ma­ne­ho ny fahatsorany izany va­zi­vazy izany, satria tena olon’ ny fiarahamonina raha i Bao Florine. Tsy nosafidiana fahatany ilay so­lo­nanarana Fanilo­ni­ha­baka­baka fa tena hitafarana azy. “Avy amin’izay toetrany izay koa no nahazoany ny so­lonanarana “Gentillesse”. “Filo­zo­fiam-piainana” ny la­ha­tsoratra nosoratany voalohany tamin’ny taona 1982, fony izy tonga teto Antanananarivo. Mpiasan’ny valanjavaboahary tao Tsimbazaza kosa no tena nahafantaran’ny maro azy, ary tao izy no nisotro ronono.
Manoratra sy mahafehy ny teny malagasy sy ny teny frantsay i Bao Florine “Gen­til­lesse”. Faniriany hatry ny ela ny hamoaka boky sy mba hiditra amin’ny fikambanana mpanoratra. Tsy nanakana azy hanoratra anefa na dia tsy tafiditra tamin’izany aza izy. Efa nanao fandaharana tao amin’ ny Radio Nasionaly Malagasy koa izy fahiny, niaraka ta­min’i Solofo Jose.
Tsiahivina fa 42 andro lasa izao no nanomboka nahafantaran’ny besinimaro an’i Bao Flo­­­rine “Gentillesse”. Naha­tsa­­pa ny asa sy ezaka nataony, ka nanao izay azony natao ha­mpahafantarana azy Rako­to­malala Valisoa Nandrianina Ko­­loina, na Noasy Mamela. Ve­­tivety dia niparitaka ny “vi­deo” nataony, ka voarain’ ny mi­nisitra ny hetahetan’i Bebe Bao Florine. Tsy tapitra hatreo fa mbola hitohy iza­ny… En­ta­ni­­na kosa ireo nitsetra sy nankafy ny sanganasny, hanjifa ny boky.

Zo ny Aina

Partager sur: