Raharaha Andohan’Ilakaka : nirohotra teny amin’ny tobin’ny zandary ny mponina

Raikitra ny savorovoro tao Andohan’Ilakaka, taorian’ilay vono olona nahatsiravina natao an’ilay renim-pianakaviana, ny alarobia teo. Omaly, nirohotra nihazo ny tobin’ny zandary ao an-toerana ny fokonolona nitaky ny hamoahana ilay lehilahy voalaza ho namono azy. Niely tao an-toerana mantsy fa voasambotry ny zandary ilay rangahy, antony nahatonga ny fokonolona saika hanao fitsaram-bahoaka azy. Tsy marina anefa ilay filazana fa ao amin’ny zandary ilay nahavanon-doza. Etsy ankilany, nifampiresaka ta­min’ireo fokonolona ny mpitandro filaminana. Voafehy nanaraka izay ireo mponina ka nilamina ny raharaha. Ha­treto, mbola karohina ity lehilahy namono vady ity.
Tsiahivina fa maty nodarohiny fanoto ny loham-badiny ka maty tsy tra-drano. Tonga tao Ambalafary, kaominina Andohan’Ilakaka, ny talata alina teo ireo ankohonana efa-mianaka ireo. Ni­pe­traka tamin’ny rahavavin’ilay vehivavy maty izy ireo ta­min’io fotoana io. Ny alarobia tolakandro anefa, nifamaly ilay renim-pianakaviana 21 taona io sy ny vadiny. Naheno izany ilay rahavaviny, saingy nandeha nanohy ny asany andavanandro. Akory anefa ny hatairany raha nahita ilay rahavaviny nihoson-dra tsy nisy aina intsony. Voadaroka tamin’ny fanoto izy ka maty tsy tra-drano. Ilay vadiny kosa nandositra avy hatrany taori­an’ny asa ratsiny. Voalaza fa hasarotam-piaro no antony nahatonga ny disadisan’ireo mpivady. Saika hanatitra ireo zanany any amin’ny rafozany taloha mantsy izy, saingy niafara tamin’ny zava-doza ny raharaha.

Henintsoa H.

Partager sur: