Dahalo raindahiny : maty voatifitry ny zandary i Desta be

Maty lavon’ny zandary, ny faran’ny herinandro teo, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Desta be. Dahalo efa namoahan’ny polisin’i Be­henjy fikarohana, nanomboka ny volana marsa lasa teo izy ity.

Nanatanteraka fampandrian-tany tao amin’ny faritra iadidiany ny zandary tao Ambatolampy. Voasambotra nandritra izany ity jiolahy raindahiny ity. “Tamin’ny alalan’ny traikefa matihanina no nahafahana nisamborana azy”, hoy ny Lieutnant Rajaoelison, mpitarika ny tobim-paritra Ambatolampy. Nangataka hangery ity jiolahy ity teny an-dalana nitondrana azy ho any amin’ny paositry ny Behenjy. Nandray vato ka nitoraka ireo zandary niambina azy izy teo am-pipetrahana. Naratra vokatry ny toraka ny lohan’ilay zandary iray, kilasy voalohany. Lasa nitsaoka avy hatrany kosa ity jiolahy avy eo. Raikitra ny fifanenjehana taorian’izay. Nam­pi­tandrina azy mba hijanona ireo zandary, nefa lasa nitsoaka ihany ity olon-dratsy. Voatery nitifitra ireto zandary ireto rehefa tsy nijanona izy. Vokany, voatifitra i Desta be. Be loatra ny ra very taminy ka maty teny an-dalana izy. “Noezahina ny tsy amono ahafaty azy fa noho ny fahaverezan-dra be loatra dia tsy tana ny ainy”, hoy ny fanazavana nataon’ny zandary.
Raha ny fanadihadiana natao taminy talohan’ny fitsoahany, 15 taona nanaovana asan-dahalo izy. Efa kilalaony ny mangalatra satria indroa isan-kerinandro izy no manao izany. Indroa niditra am-ponja ary telo volana izy dia nivoaka tany. Mipetraka any amin’ ny fokontany Ankafanana distrikan’Arivonimamo izy. Mitety faritra maro anaovany ny asa ratsiny izy, ka tonga hatrany Ambatolampy ka izao nifanehatra tamin’ny zandary nanao fampandrian-tany izao.

Tsy misy ahina ny fahasalaman’ilay zandary naratra, rehefa nahazo fitsaboana. “Ny zandarimaria Vakinankaratra dia tsy handefitra amin’ny fanaovana asan-dahalo ato amin’ny faritra iadidianay ary hanolotra izay tratra eo anivon’ny fitsarana”, hoy hatrany ny fanazavana. Mbola mi­tohy hatrany ny asa fampandrin-tany ataon’ny zandary .

Mino ( Mpianatra Asa)

Partager sur: