Indray mijery

Nivondrona ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny misehatra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ao amin’ny faritra Diana. Tanjona ny hanavaozana indray ny drafitra fiatrehana ny hamehana ho an’ny taom-pahavaratra 2022 – 2023 na ny «Plan de Contingence Régional». Tafiditra tanteraka ao anatin’ny asa fiomanana hiatrika ny rivodoza sy ny ranobe, izay mety ho avy ny hetsika ary manana tanjona ho fampihenana ny fahavoazana mety hahazo ireo vahoaka sy ny fananany ary ireo fotodrafitrasa maro. Mifototra amin’ny vinavinan’ny mety ho toetry ny taom-pahavaratra sy ny vinavinan’ny mety ho fiantraikany ny lamina sy ny paikady rehetra mandrafitra ity drafitra fiatrehana ny hamehana ity. Napetraka ho fomba fiasa

Ho an’ny herinandron’ny 28 novambra hatramin’ny 4 desambra, vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby hirotsaka ny orana ka hahatratra 75 à 150 mm eo ho eo. Voakasiky ny rotsak’ orana ny ao amin’ny distrikan’i Mampikony, Tsa­ratanana, Andilamena, Ampa­rafaravola, Maevatanana, Ankazobe, Morafenobe, Miandrivazo, Tsiroanomandidy, Miarinarivo, Mo­ramanga, Antanifotsy, Marolambo, Fandriana, Mandoto, Ambatofinandrahana, Ika­la­ma­vony, Ifanadiana, Fianarantsoa, Ambalavao, Ikongo, Vondozo.

Partager sur: