Nampakatra 12% ny taham-bola fototra manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana 8,4% ny Banky foiben’i Madagasikara. Fepetra noraisiny noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny toekarena maneran-tany sy ny olana ara-barotra misy amin’izao fotoana. Mampirisika ny fanitsiana ny Tahirimbola iraisam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena. Lasa fitaovana fampiasa amin’ny politikam-bola ny taham-bola fototra.
Tsy hisy ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2025, araka ny tapaky ny governemanta nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Manara-maso ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny fahasalamana ny fiarahamonim-pirenena. Mbola banga 1 tapitrisa dolara ny filana voafaritra ary manantena fanitsiana amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny rehetra.
Nisitraka zana-trondro miisa 200 avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ireo mpiompy avy ao amin’ny kaominina Alakamisy Ambohimaha. Mbola velona avokoa ny 80% amin’ireo trondro ary mitombo araka ny tokony ho izy ka hahafahana mivarotra hatrany amin’ny 40 kilao. Manomboka mahaliana ny maro ny sehatry ny jono noho izy ahitam-bokatra haingana sy mahomby.




