Saron’ny polisim-pirenena, ny faran’ny herinandro teo, tao Morondava ireo roa lahy malaza mpamaky trano ao an-toerana. Nisesisesy tokoa ny vaky trano tao amin’ny renivohitry ny faritra Menabe, tao anatin’ny andro maro. Araka izany, nanamafy ny fisafoana sy nametraka paikady hanenjehana ireo jiolahy ny polisy. Nahitam-bokany izany ka voasambotra ireo jiolahy raindahiny nampihorohoro ny iray tanàna. Hita nandritra ny fisavana ny trano miisa roa misy an’ireto olon-dratsy ny entana halatra maro isan-karazany. Toy ny fahitalavitra, solosaina, kojakojan-tokantrano maro, finday isan-karazany. Tao koa ireo akanjo ary ody gasy ampiasainy rehefa manao ny asa ratsiny. Fantatra nandritra ny fanadihadiana ireto jiolahy fa tsy mandeha irery ireo olon-dratsy rehefa manao ity asan-jiolahy ity. Efa nisy voasambotra tao Ankisirasira ny iray amin’ireo mpiray tsikombakomba amin’izy roa lahy ireto. Voatazona ao amin’ny biraon’ny polisy izy ary hanokafana fanadihadiana. Mbola mitohy ny fitadiavana ireo namany hafa.
Henintsoa H.