Votsotra tany amin’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ireo ankizy mianadahy fito sy folo taona natao takalonaina tao Miandrivazo, iray volana lasa izay. Dahalo iray maty voatifitry ny zandary, iray hafa kosa naratra, saingy mbola tafaporitsaka. Ny alatsinainy lasa teo, tonga tao Belomotsy, faritra manasaraka an’i Manambina sy Ankilizato ireo mpanara-dia omby very. Ity farany, izay efa nataon’ireo dahalo mpaka an-keriny sakafo tany anaty ala. Tamin’io fotoana io, mbola tratran’ireo fokonolona niaraka tamin’ireo zaza roa ireo dahalo. Vokany, raikitra ny fifanjevona teo amin’ny roa tonta. Lavo tamin’izany ny dahalo iray raha naratra kosa ilay namany tafaporitsaka. Fantatra fa avy any Ankilifolo, fokontany Ampasifasy, kaominina Befotaka, distrikan’i Mahabo ireo ankizy nalaina an-keriny. Zanak’ olona mpirahavavy izy dahy ary efa ho iray volana izay ny nitazonan’ireo dahalo tao Belomotsy azy.
Henintsoa H.