Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny ny ben’ny Tanànan’Ambohimiarivo, distrikan’Antsirabe II, ny harivan’ny 23 oktobra teo. Voaroba sy lasan’ireo andian-jiolahy nirogo basy manodidina ny 15 isa tsy nisaron-tava tamin’izany ny vola sy findain’ireo tompon-trano. Tsy nisy maty sy naratra ireo lasibatra. « Tsy nisy nisaron-tava ireo olon-dratsy, tsy fantatra ihany koa ny vola lasan’ireo jiolahy », hoy ny polisim-pirenena ao an-toerana. « Taorian’io, nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ireo voatafika. Voatazona ao amin’ny kaomisarian’Antsirabe ny zandary miasa ao Soamiakatra sy ny namany iray ary sivily roa hafa », hoy ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa ilay « chef de poste » ao Soamiakatra io mihitsy ilay jiolahy nitazona basy. Nandiso izany filazana izany anefa ireo mpitandro filaminana ao an-toerana. “Mbola anatin’ny fanadihadiana ity raharaha ity izahay ary tsy mbola nisambotra olona mihitsy”, hoy ny polisy. “Misy ny olona nalaina am-bavany momba ity tranga ity, saingy tsy mbola vita ny famotorana”, hoy hatrany ny fanazavana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Henintsoa H.