Namaranan’ny filoha Rajoelina Andry ny fidinana ifotony tany Manakara ny fitokanana ilay fotodrafitrasa
fiarovana ny morontsiraka “Brise-lames”, ao Manakarabe. “Anisan’ny imasoan’ny fanjakana ny fotodrafitrasa manakaiky vahoaka sy ilain’ ny eny ifotony tahaka izao”, hoy izy. Nanteriny fa efa betsaka ny asa vita. Na izany aza, niaiky ny tenany fa tsy lafatra. Betsaka koa ny mbola tokony hatao. “Iarahantsika manao ireo tsy mbola vitantsika”, hoy ihany izy. Notanisainy tamin’ izany fa anisan’ny tsy vita ny mamorona orinasa hiteraka asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy rehetra eto Manakara. Eo koa ny fanohanana ny fambolena rehetra, araka ny nambarany. Nampanantena anefa ny tenany fa mbola iarahana manao avokoa izany.
Notsiahiviny koa fa nanorenana hopitaly ny renivohi-paritany fony fitondrana Tetezamita. Tsy hisy distrika hadino intsony kosa amin’izao fe-potoam-piasana izao. “Hanorenana fotodrafitrasa avokoa ny distrika rehetra. Ezahina hatrany anivon’ny kaominina koa izany tsy tokony hadinoina izany. Fotodrafitrasa akaiky vahoaka sy ilain’ny vahoaka ary miaro vahoaka”, hoy izy.
Fitia mifamaly…
Etsy andaniny, nomarihiny koa fa zava-dehibe ny fandraisan’ny vehivavy andraikitra eo amin’ny fiarahamonina sy ny fampandrosoana ny firenena. Antony nanosika ny filoha ho amin’ny fifidianana an-dRazanamahasoa Christine ho filohan’ny Antenimierampirenena izany. Hanaporofoina koa ny fahatokisana ny vehivavy. “Tena afaka mifanampy amin’ny fampandrosoana sy ny fanovana an’ ity firenena ity izy ireo”, hoy izy.
Ankoatra izany, notsiahiviny ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018. Tsy nisy latsaky ny 76% ny vato azony tamin’iny faritra manontolo iny. “Mendrika fampandrosoana isika aty. Hapetratsika izany ary tsy ho rava na iza na iza. Fantatrareo ny fitiavako ity faritra ity ary fantatro koa ny fitiavanareo ahy”, hoy izy.
Synèse R sy Lin (Mpianatra asa, iraka manokana any Manakara)
Vita amin’ny “Béton” ny fotodrafitrasa fiarovana ny morontsiraka “Brise-lames” ao Manakara Be. Mirefy 210 m ny halavany raha 5,10 m ny ahavony ary 2,40 m ny hateviny. Tsy afa-bela amin’ny fiarakan’ny ranomasina taorian’ny ireo rivodoza Batsirai sy Emnati ny an-toerana. Nampijaly ny mponina izany ka antony nanapahan’ny fanjakana hevitra hanamboarana izany. Kaohin’ny riaka isaky ny misy rivodoza koa ny morontsirak’i Manakara ka mihemotra. Voasokajy ho faritra azo ihariana fizahantany ny eo an-toerana. Anisan’izany ny “Boulevard maritime” sy ny “Avenue de l’indépendance”. Natao “Béton” koa ny lalana mirefy 300 m, ary nametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izany. Nohatsaraina ny toerana “Jardin d’amour”.