Nijoalajoala ny afo tao amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina Ambatondrazaka, omaly. Nanomboka tamin’ny 03 ora sy fahefany maraina teo ny afo ka nandravarava trano fivarotan-kazo ao an-toerana. Vokany, may avokoa ny faritry ny tokotany eo amin’ny 50m2 misy ity tranom-barotra ity. Kilan’ny afo ny entana rehetra, ireo masinina, entam-barotra sy trano fonenan’ireo mpiasa 25 isa. “Tsy misy mahafantatra ny antony nahatonga ity loza ity ny rehetra. Ireo mponina eny amin’ny manodidina kosa nilaza fa fifampikasohana herinaratra no niteraka izany”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Mahatratra 700 tapitrisa Ar ny totalim-bidin’ireo entana kilan’ny afo. Anisan’izany ireo biby fiompy sy kojakoja isan-karazany ary simenitra tamin’ny gony maro.
Nananosarotra ny famonoana ny afo. Tsy manana sampana mpamonjy voina rahateo ny tanàna. Araka izany, niray hina ny fokonolona sy ny zandary nifarimbona namono ny afo efa nilelalela. “Sarotra anefa ny fidirana teo amin’ny faritra, namay loatra teo an-toerana. Hany ka voatery narovana avokoa ny manodidina tsy hitaran’ny afo”, hoy hatrany ny zandarimaria. Vokany, efa tamin’ny 6ora sy sasany vao voafehy tanteraka izany. Minitra vitsy taorian’izay vao levona tanteraka ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy sy naratra tamin’ity tranga ity.
Henintsoa Hani