Halatra taolam-paty: jiolahy roa maty voatifitra

Jiolahy enina mpivarotra taolam-paty tratry ny zandary tao Ambohipihaonantsoa, afakomaly tokony tamin’ny 11 ora alina. Maty voatifitra tamin’izany ny jiolahy miisa roa nanao asa ratsy. Nahafa­hana nisambotra azy ireo ny vela-pandrika nataon’ireo zandary. Tsiahivina fa nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy olona mitady mpividy taolam-paty any efa ho herinandro mahery talohan’izao. “Nalaina tamin’izany ny laharana findain’ireo olona ireo ka nahafahana nanao ny vela-pandrika”, hoy ny teo ny zandary ao Ambohimpihao­nantsoa. Tratra tao amin’ny fokontany Fitampotsy ireo dahalo miisa enina. Tratra teny amin’izy ireo ny taolam-paty avy nangalariny. Nando­sitra avy hatrany ireo olon-dratsy vao nahatazana ny zandary ka raikitra ny fifanenjenehana. Nitifitra ireo mpitandro filaminana rehefa tsy nijanona ireo olon-dratsy. Vokany, maty ny jiolahy roa. Tavela teo amin’ny toerana nahasamborana azy ireo ny taolam-paty.
Nidina ifotony ny zandary roa sy ny ben’ny Tanàna ary ny dokotera tany an-toerana nanao ny fitsirihana ny taolam-paty. “Razana sahabo ho efapolo no nakana azy”, raha ny tatitra voaray. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa vaky ny fasana iray tao amin’ny fokontany Ambalavero, distrikan’Ambositra, nakan’ireto jiolahy ireto ny taolam-paty. Naverina tamin’ny tompom-pasana avy hatrany ireo taolam-paty taorian’ny fizahana. Natolotra ny fianakaviany avy kosa ny fatin’ireo jiolahy. Mitohy hatrany ny asa fikarohana sy ny famongorana ny jiolahy mbola miriaria any.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: