Valizin’ny filoham-pirenena: nohadihadina lalina i Mahery Lanto Manandafy

Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, i Mahery Lanto Manandafy. Raharaha “valizin’ny filoham-pirenena” no nampiantsoana azy. Naverina eny Antanimora izy.

Niverina teny amin’ny fitsarana, omaly ma­raina, i Mahery Lanto Manandafy na i Malama. Nanaovan’ny mpitsara mpanao famotorana fanadihadiana momba ny raharaha « valizin’ny filoham-pirenena » izy. Naharitra adiny iray mahery ny fakana am-bavany. Nenti­na niverina teny Antanimora avy hatrany izy taorian’io. Tsiahivina, sady nisy naka sary no nanaparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny entan’ny filoham-pirenena mianakavy, raha handeha hamita iraka tany ivelany izy. Ny volana aogositra tao Roissy no nitrangan’izany. Ny 18 aogositra, nilaza ny fiadidiana ny Repoblika fa efa fantatra ny saofera iray miasa any Frantsa izay naka sary. Efa nisy ny fisavana natao ka nahatrarana azy. Mitohy ny raharaha ankehitriny, anisan’ny ahiahina i Malama. Izay no nahatonga ny vesatra nanenjehana azy niampy iray. Na­namafy ity rahateo, Ratoa Doris Rakoto Samuel vadiny, omaly antoandro raha niresaka tamin’ny mpanao gazety teny Antanimora. “Tsy misy idiran’ny raharaha nanenjehana azy mikasika ny teratany vahiny voalaza fa mpamatsy bala ny dahalo ity fiakarany ity”, hoy hatrany izy.
Marihina fa naiditra am-ponja vonjimaika i Malama ny 30 septembre lasa teo. Nanenjehana sy nampidirana am-ponja vonjimaika azy ny famoahana vaovao tamin’ny tambajotran-tserasera, nilaza fa misy teratany vahiny ma­matsy bala ny dahalo. Nitory azy noho ny fanalam-baraka sy fanelezana vaovao tsy marina ilay vazaha.

Nitory
Manoloana ity fanenjehana nataon’ny teratany vahiny azy, nametraka fitoriana ihany koa i Malama tamin’ny fandrahonana natao azy. Mbola tsy misy tohiny ny raharaha mikasika izany. « Raha ny fandraisanay an’ity raharaha niantsoana azy teny amin’ny fitsarana ity, tiana hampitomboana ny raharaha anenjehana azy. Aiza ve ka navadika ho mpiray tsikombakomba amin’ny raharaha valizin’ny filoham-pirenena indray izy », hoy hatrany ny vadiny.

Mino ( Mpianatra Asa)

Partager sur: