VOAPOIZIN’NY SAKAFO : olona fito naiditra hopitaly

Nihinana antsantsa boriloha, olona fito indray naiditra hopitaly tao Analapasy, distrikan’i Taolagnaro, faritra Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Naka ny hena avy tamin’ireo antsantsa roa, na­handro azy tamin’ny to­kan­tranony ireto niharan’ny fanapoizinana ara-tsakafo ireto. Nitaraina ho narary kibo sy nandoa anefa izy ireo. Nenti­na namonjy toeram-pitsaboana (CSBII Analapasy sy CSBI Ankilimatraha) araka izany, ireto olona fito ireto. Zaza ny roa ary renim-pianakaviana ny efatra. Zazavavy kosa ny roa ambiny. Tsy nisy nahina ny fahasalaman’ireto farany.

Tsiferana R.

Partager sur: