Maty voatifitry ny zandary omaly i Masivelo, dahalo raindahiny mpaka an-keriny sy mpanao halatr’omby ao amin’ny kaominina Brieville. Ankehitriny, atao hazalambo ireo namany rehetra niray tendro taminy.
Nitrangana fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Antsapandrano kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanana, ny 18 novambra teo. Tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 08 ora alina teo, noentin’ireo jiolahy nirongo basy sy zava-maranitra ny lehilahy iray 47 taona sy iray hafa 39 taona. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandarimaria. Tsy niato mihitsy izany tao anatin’ny 10 andro. Vokany, voatery nizara lalana ireo dahalo mpaka an-keriny. Ny alahady teo, nisy ny loharanom-baovao voarain’ny zandary momba an’i Masivelo. Fantatra tamin’izay fa isan’ireo nandray anjara mivantana tamin’ity fakana an-keriny ity izy ary nitsoaka nankany andrefana any amin’ny kaominina Ankeliloha, distrikan’i Tsaratanana ny lehilahy.
Tsy afa-nandositra
Araka izany, napetraka ny paikady rehetra hisamborana ity dahalo ity. Vokany, omaly, voasambotra tao amin’ny fokontany Ambatomandondona izy. Azo teny aminy koa ny basim-borona saika hitifirany an’ireo zandary. Tsy nahavoa anefa ny paikadiny noho ny fahaiza-manaon’ny mpitandro filamianana ka izy tratra izao. Nandritra izay, nolazainy daholo ireo namany rehetra isan’ny nandray anjara tamin’io fakana an-keriny io. Voatanisa tamin’ izay i Parfait, Damangaroxina, Daco ary lehilahy roa hafa tsy fantany. Nambarany hatrany fa mbola am-pelatanan’ireo namany ireo takalonaina ary nitsoaka niatsinanana ny lalany. Tsy fantatra anefa, hoy izy, ny toerana sy ny ora hanaovana izany. Ankoatra izay, mbola saika hitsoaka ity dahalo ity ka voatery nitifitra azy ireo zandary.
Henintsoa Hani