Haondrana an-tsokosoko : sarona ny « corail noir » 80 kilao

Taksiborosy iray nitondra akorandriaka mainty “corail noir” milanja 80 kilao no tra-tehaky ny zandary mpanao sakan-dalana tao Antsirabe, afakomaly. Tokony ho tamin’ ny 11 ora sy sasany alina teo, voasakana teo Vinaninkarena ilay fiara ka voasava avy hatrany. Nandritra izay, tra-tehaka tao anaty valizy miisa roa teny ambony fitoeran’entan’ilay fiara ireo akorandriaka mainty ireo. Araka izany, nohadiadina ny mpamily sady notakina ny taratasy momba ireo entana noentiny. Tsy nanana taratasy ara-dalàna anefa ireo harenan-dranomasina ireo. Vokany, tsy nisalasala nanambara ny tompon’ireo entana koa ny mpamily. Nolazainy fa lehilahy iray avy ao Mahatsara ao amin’ny distrikan’i Farafanana no nampitondra azy ireo valizy roa ireo. Mpandeha tao anatin’ilay taksiborosy avy any amin’ny faritra atsimo atsinanana izy ary saika hihazo ny renivohitra. Voasambotra teo no ho eo ihany ny lehilahy ka nalefa any amin’ny biraon’ny zandary ao Antsirabe hanaovana fanadihadiana. Ireo akorandriaka kosa nogiazana. Nampahafantarina momba ity raharaha ity koa ireo mpitsara mpanao famotorana eny anivon’ny fitsarana ao Antsirabe. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Henintsoa H.

Partager sur: