Anatihazo Isotry: mpangalatra finday tratran’ny polisy

Voasambotry ny polisy teo anivon’ny boriborintany fahefatra, ny faran’ny herinandro teo, ireo olona roa mpangalatra finday sy mpamaky trano. Asa ataon’ny eo anivon’ny polisim-pirenena ny hamongorana ireo asa ratsy rehetra eto amin’ny Nosy. Maro ny paikady entin’izy ireo miady amin’izany toy ny fidinana ifotony, araka ny fanazavana. Vokany, nifanehatra tamin’ireo jiolahy roa nifanenjehan’ny olona izy ireo. Voalaza fa avy namaky trano teny amin’ny manodidina ireto jiolahy ireto. Nandritra izany, mbola nangalatra finday teo amin’ny mpivarotra kojakoja iray teny an-toerana ny iray tamin’ireo olon-dratsy ka noraisim-potsiny. Nosamborina avy hatrany izy ireo ary nentina any amin’ny biraon’ny polisy boriborintany fahefatra. Niaiky ny heloka nataony avy izy ireo nandritra ny fanadihadiana. Mbola mitohy ny famongorana ny mpanao ratsy ary efa eo an-tanan’ny polisy ny tohin’ny raharaha.

Mino ( MPianatra Asa)

Partager sur: