CUA : Nohalefahana ny hetran-trano, tsy mandoa ny fiangonana sy sekoly

Nirovy tsy ara-potoana tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny eo anivon’ny filankevitra monisipaly, oma­ly. Anton’izany ny fangatahan’ny mpanatanteraka amin’ny hanalefahana ny hetra. No­dinihina nandritra izany ny fanitsiana ny fanapahana “Dé­liberation N°002-CUA/ CM/Délib.22” momba ny fanalefahana ny hetran’ny taona 2021 sy ny 2022 ho an’ireo mpandoa hetra rehetra manerana ny boriborintany enina eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tapaka nandritra izany fa mahazo fanalefahana toy izao manaraka izao raha mahazo ny taratasin-ketra ny olona iray: 10 000 Ar – 100 000 Ar : 10 000 Ar 101 000 Ar – 200 000 Ar : 20 000 Ar 201 000 Ar – 500 000 Ar : nohalefahana ho 60 isan-jato 501 000 Ar – 1 000 000 Ar : nohalefahana ho 60% isan-jato raha toa ka 40 isan-jato izany teo aloha 1 001 000 Ar – 3 000 000 Ar : nalefahana ho 60 isan-jato ihany koa raha toa ka 20 isan-jato izany teo aloha 3 001 000 Ar – 5 000 000 Ar: 10 isan-jato + 5 000 000 Ar : nohalefahana ho 5 isan-jato izany.

Entanina ny mponina raha misy fitarainana

Nohamafisin’ny filohan’ny filankevitra monisipaly Ralitera Andriamparany ihany koa fa tsy mandoa hetra ny sekoly sy ny fiangonana rehetra. “Entanina hanao fitarainana “Doléance” eny anivon’ny boriborintany misy azy izy ireo raha sanatria ka mahavoaray taratasin-ketra. Entanina toraka izany koa ny mponina Antananarivo ho tony ary hanatona ny boriborintany misy azy raha misy ny fitarainana”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: