Nirefodrefotra ny basy: jiolahy roa voatifitra, tafaverina ny volabe

Nirefodrefotra ny basy teny Ambatomirahavavy, omaly atoandro. Lavon’ny zandarimaria ny jiolahy roa, nandroba vola mitentina 17 tapitrisa Ar. Atao hazalambo ireo namany.

Nanakoako teny Amba­to­mirahavavy ny poa-basy, omaly. Nifanen­jehana ireo mpandroba, nikasa ny haka ilay volabe t$anaty sakaosy. Niala maina anefa rehefa tonga ara-potoana ny zandary. Tafaverina ny vola. Taorian’ny fanadihadiana na­tao, fantatra fa efa voaomana ny fanafihana. Misy ny mpiray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy. Karohina fatratra ny naman’ireto jiolahy maty voatifitra ireto.
Araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao, tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina, omaly no nisehoan’ny fanafihana. Nirahin’ny mpam­piasa azy handrotsaka vola any amin’ny BOA Ime­rintsiatosika ny lehilahy iray miasa ao amin’ny tranombarony, mivarotra simenitra eny Ambatomirahavavy. Teny an-dalana anaty taxi-be, voambana basy ilay mpiasa nony ton­ga teo Katsaoka, anelane­lan’Ambatomirahavavy sy Imerintsiatosika. Nasain’ny jiolahy nivoaka ny fiara izy, norobaina ny sakaosy nisy ilay volabe. Taitra sy nisakoroka ny rehetra, izay nahita ny zava-nisy. Nandritra izay, nirifatra niaraka tamin’ny moto noentin’ny namany ny olon-dratsy. Niantso ny mpampiasa azy ilay lasibatra. Nampandre ny zandary avy hatrany ny tompon-tsena, tompom-bola. Raikitra ny fanenjehana.
Nifampitifitra
Nandeha ny tifitra variraraka, teo amin’ny tsenan’Anta­nimenabe Ambohidrano­man­ga, kaominina Ambatomi­rahavavy. “Nialan’ireo jiolahy roa anefa ny moto noentina nony tonga teo amin’ilay tse­na. Nanohy ny fitsoahana an-tongotra izy ireo. Vahiny rahateo ireo olon-dratsy, tsy nahalala fa rindrim-bato no niandry azy ireo”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana, nanaovana fanadihadiana. Tapi-dalan-kaleha ny olon-dratsy. Vokany, voadidin’ireo mpitandro filaminana. Niezaka nanohitra sy nitifitra ny zandary, mpanenjika izy roa lahy.
Tsy nilefitra ny mpitandro filaminana, namely tamin’ny tifitra. Tsy afa-nanohitra ny mpanafika, matin’ny balan’ny zandary.Marihina fa mialoha ny nahafaty azy, mbola niezaka nitsoaka ilay nitondra sakaosy feno vola, saingy tsy lasa lavitra. Nahazo basy miisa roa sy ny bala nampiasain’ireo olon-dratsy ny zandary. Toy izay koa ny moto noentina nanaova ity fanafihana ity.
Isan’ny mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra izy roa lahy maty ireto. Fan­tratra fa avy eny Ambo­din’ Isotry sy Ambalavao izy ireo. Tao­rian’izay, naterina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny vata-mangatsiakan’ireo lavo. An­drasana ny tohin’ny raharaha.

Henintsoa Hani

Partager sur: