Zaka tsara

Fanovana… andraikitra

Na inona na inona ataon’ny mpitondra, tsy mety amin’ny mpanohitra avokoa. Izay no hoe asany? Mitsikera, mamaky bantsilana izay tsy mety… Mby aiza? Miara-dalana amin’izany ny fanomezana tolo-kevitra enti-manatsara zavatra, fa tsy sanatria mitsikera ho fanara­tsiana, na fanakorontanana, na fandravana, na fanakiviana… Fitsikerana tsy inona fa faha­vononana handray fahefam-panjakana fa mahavita tsara sy be lavitra no ho izay eo amin’ny fitondrana ny tena, raha mahazo fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana.

Misy ve izay faharesen-dahatra sy fahavononana izay? Na amin’ny fakana fahefana,
na fifidianana… Misy ny mitady hitsambiki-mikimpy na hanao hitsin-dalana, nefa misy lalàna sy lalana izay atao. Raha misy ny te hanao fanovana, manombola eo amin’ny tena ny hoe fanovana: fiovana amin’ny fomba fanaovana politika. Hatao ahoana ny hanova raha ny tena aza tsy vonona na tsy mety hiova? Fanovana mitaky andraikitra, fanovana mila fiovana…

R. Nd.

Partager sur: