Nizotra araka ny tokony ho izy ny fikaonandoha natao tany Toamasina, nandritra ny efatra andro, araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires), Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love). Mpandray anjara maherin’ny 90 avy amin’ny minisitera 15 ny namaly ny antso ary tonga naneho ny heviny ho fanatsarana ny fanatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana. Nisokatra ny ady hevitra mba hampandrosoana ny fikambanana, na teo amin’ny lafiny fifaninanana izany, na ihany koa ny fitsipika anatin’ny fikambanana ary indrindra ny fitsipika ara-teknika. Noraisina avokoa ny fanakianana sy ny sosokevitra nentin’ireo mpandray anjara ka vahaolana maro no hita.
Naato ireo teknisiana 50 isa
Nandray fanapahan-kevitra hampiato avy hatrany ireo teknisiana miisa 50 eo anivon’ny Asief, ny filoha Jhone Love, taorian’ny fikaonandoha mba ho fanatsarana ny lafiny teknika, izay nampimenomenona ny ankamaroan’ny mpikambana. Hisy ny fiantsoana hatao hahafahana manangana teknisiana vaovao, manomboka amin’ny herinandro izao, ka hiova ny ekipa teknikan’ny Asief. Tohin’ny fandaharam-potoanan’ny Asief, hotontosaina ny 15 sy 17 desambra izao ny famaranana ny « Vainqueur de Coupe » karakarain’ny ligin’Analamanga, eo amin’ny taranja basikety sy Volley ball. Tsiahivina fa any Toamasina ny hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly ny Asief, mialoha ny lalaon’ny Nosy, raha ny nambaran’ny filoha Jhone Love hatrany.
Mi.Raz