Hiavaka ny famaranana ny taom-pilalaovana 2022, amin’ ity ho an’ny ligin’Analamanga ny basikety. Hisy ny hetsika karakaraina ny 10 sy 11 desambra izao eny amin’ ny kianja an’Ankaso, hahitana fifaninanana maro samy hafa amin’ny sokajy sy sehatra isan-karazany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Andriatsima Hery, tetsy Mahamasina, omaly. Hiseho amin’ny endrika maromaro izany ka hisy ny fifaninanana basikety ho an’ny sokajy manomboka U10 hatramin’ny Seniors, eo ihany koa ny fifaninanana ho an’ny orinasa na ny “Interentreprises” ary ny “Inter lycée”. Mbola mitohy hatramin’ny 7 desambra izao ny fisoratana anarana. Homena lanja ireo katitakely amin’ny “Star Kids” U10 ka hisy ekipa roa hifaninana, nalaina avy amin’ ny klioba avy eto Analamanga, hifaninana. Tsy hadinoina ihany koa ny fifaninanana 3×3, natokana ho an’ny U10, U14, U18 ary ny Seniors.
Ankoatra izay, hoavy hilalao eto Antananarivo ny ligin’ny Vakinankaratra sy Bongolava, ka ireo mpilalao voatsonga no hifampitàna. Herinandro aorian’ity fifaninanana ity, mbola hisy koa ny “déjeuner dansant” karakarain’ny ligy, eny amin’ny Villa Verte Ambatomirahavavy, hiarahan’ireo fianakaviamben’ny ligin’Analamanga mifaly. Amin’io ny hanolorana ireo amboara rehetra azo nandritra ny taona 2022.
Mi.Raz