Lalàna… ifampitokisana
Miverina amin’ny laonina ny karaman’ireo mpirakidraharaha fitsarana miisa 56 amin’izao volana desambra izao. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana fa tsy misy karama, rehefa tsy misy asa. Niteraka resabe ny fanoharana ny mpirakidraharaha ho toy ny mpiasa an-trano amin’izany. Misy ny fanangonan-tsonian’ny depiote amin’ny tsy fenekena izany, fa samy mpiasam-bahoaka na ny minisitra na ny mpirakidraharaha. Teo koa ny fanambaran’ny HCDDED ny amin’izany.
Namoahan’ny fitsarana momba ny ady amin’ny kolikoly (Pac) didy fampisamborana ny tale jeneralin’ny Jirama teo aloha sy ny tale jeneraly mpisolo toerana vonjimaika ary ny talen’ny kabinetra teo aloha noho ny raharaham-pitantanana tsy mazava ny amin’ny tambin-karama nomena ireo tale teo anivon’ny orinasa. Tale telo no naiditra am-ponja vonjimaika ary 31 anaovana fanaraha-maso ara-pitsarana, izay tsy hampiandraiketina 100% ny fampandehanan-daraharaha intsony amin’izao.
Tafakatra 37, 21% ny taham-pisoratana anaran’ny mpifidy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ao anatin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny tatitry ny Ceni, izay nihaona tamin’ny mpiantsehatra amin’ny fifidianana: antoko politika, firaisamonina sivily. Ho vita amin’ny faran’ny taona araka ny fe-potoana voafaritra ve ny fanisana mpifidy? Nanome toky ny Ceni amin’ny fanatrarana izany, fa efa mitombo ny hafainganam-pandeha amin’ny fanatanterahana ny asa.
Tsy fifampitokisana no anisan’ny fototr’izany rehetra izany, raha tsy hijery afa-tsy ireo trangan-javatra ireo? Tsy misy afa-tsy ny fanajana sy fampiharana lalàna no antony. Izay no ifampifehezana, tsy hisian’ny tombo sy hala na iza na iza, na aiza na aiza, na amin’ny inona na inona…
R. Nd.