Kitra – Mondial 2026 : nakarina ho 48 ny mpifaninana

Namaly ny fangatahan’ ireo firenena maniry ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany na “Mondial” ny Federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Arakaraka ny kaontinanta ny isa firenena handray anjara izany. Nan­dritra ny fivoriambe tany Qatar, ny alakamisy teo, tapaka fa hakarina 48 ny mpifaninana amin’ny Mondial 2026. Hitombo, araka izany, koa ny lalao izay lasa 84.
Mahafeno fepetra ho azy anefa ny firenena mpikarakara ary esorina amin’ny «quota” natokana ho an’ny kaonfederasiony ny toerana misy azy. Araka izany, ny kaonfederasiona afrikanina dia hiakatra ho dimy ka hatramin’ny sivy ny fandraisan’anjaran’izy ireo, Azia 4,5 ka hatramin’ny 8 ny kaonfederasionin’i Ame­rika Avaratra, Amerika Afo­voany ary Karaiba 3,5 ka hatramin’ny 6 ary Amerika Atsimo 4,5 ho 6. Oseania, izay tsy nanana afa-tsy toerana 0,5 ary tsy maintsy nandalo play-off mba hahitana ny iray amin’ireo voafantina ho mendrika, manana toerana mivantana izao, araka ireo tolo-kevitra ireo.

Marihina fa ny biraon’ny filankevitry ny Fifa dia nanaiky ny tolo-kevitra momba ny fizarana toerana. Ity tolo-kevitra ity dia hatolotra ho fankatoavana ny filankevitry ny Fifa ny 9 mey any Bahrain, roa andro mialoha ny kongresy. Ireo fitsipika vaovao ireo dia miantoka ny fisian’ny 46 amin’ireo ekipa 48 mahafeno fepetra.

Fitia (Mpianatra Asa)

Fizarana ny toerana vaovao

Faritra Eoropa (UEFA) : 16
Faritra Afrika (Caf): 9
Faritra Azia (AFC) : 8
Faritra Avaratra, Amerika Afovoany ary Karaiba (Concacaf): 6
Faritra Amerika Atsimo (Conmebol): 6
Faritra Oseania (OFC) : 1

Partager sur: