Nandoro kodiarana ny mponin’Itaosy sy Ampefiloha

Efa ho lava, naneho ny hatezerany teny an-dalambe ny mponina tetsy Ampefi­loha sy Itaosy, omaly hariva. Leo ny fahatapahan-jiro ma­tetika, nanakan-dalana mi­hitsy izy ireo. Tsy nionana tamin’ny fanakanan-dalana fa nandrehitra kodiarana teny amin’ny arabe izy ireo. Nataon’izy ireo hanairana ny fitondram-panjakana ity fihetsika ity. Ho an’ny tetsy Itaosy, tsy afa-nandeha ireo fiara nikasa handalo teo amin’ny Horizon. Nisiotsioka tamin’ny kiririoka, naneho ny tsy fahafaliana ireo mponin’i Bemasoandro. “Avere­no ny jiro, avereno ny rano”, hoy ireo mpitokona. Fotoana vitsy taorian’ny fitokonana, tonga nandamina ny toe- draharaha ny mpitandro filaminana. Naparitaka ireo mponina nandrehitra ny kodiarana ary novonoina avokoa ny afo.
Na izany aza, nody ta­min’ny hatezerana ny an­kamaroan’ireo mponina ary manambana ny mbola hamerina ny fanehoany ny tsy fahafaliany.

Nihetsika koa ny tetsy Ampefiloha

Tetsy ankilany, niteraka savorovoro tetsy Ampefi­loha koa ny fandrehetana kodiarana nataon’ny mponina vokatry ny fahatapahan-jiro ihany. Tao anatin’ny ora fodian’ny mpiasa, narehitr’ ireo mponina sasany ny kodiarana. Marihina fa iharan’ny fahatapahan-jiro avo­koa ny ankamaroan’ireo faritra eto Antananarivo Renivohitra. Misy amin’ireo toerana sasan-tsasany no tsy mandeha hatramin’ny rano.

Tsiferana R.

 

Partager sur: