Bodybulding-Tompondaka eran-tany: hiakatra an-tsehatra rahampitso ny Malagasy

Bokona hozatra malagasy 5 mianadahy no nihazo an’i Thailande hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja Bodybulding. Vonona tanteraka izy ireo hiambozona medaly.

Hanomboka rahampitso any Thailande ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja body­bulding. Manana solontena 5 mianadahy ny Malagasy, ahitana an-dRandrianari­manana John Mario (Bigman), Marinjara Maurice, Andria­tsilavina Joseph (Tsilah kely), Randrianasolo Nante­naina Fitiavana (Monstre) ary ny vavitokana Rafalini­rina Jeniah Stéphanie (Stessi). Ny filohan’ny federasiona ny bodybulding, i Georgie Vernier sy ny Tale teknika nasionaly no nitarika ny delegasiona malagasy. Ny asabotsy antoandro lasa teo izy ireo ny nanainga teto Madagasikara ary hiakatra an-tsehatra manomboka rahampitso, araka ny fandaharam-potoana.

Vonona ara-batana, ara-teknika ary ara-moraly ireo atleta malagasy 5 miana­dahy ireo ary efa ela nanomanana. Hanome tsara lavitra no ho ny tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany farany natao tany Ouzbékistan izy ireo, na dia efa fantatra aza fa manana ny maha izy azy avokoa ireo bokona hozatra hifaninana. Nandrombaka medaly volafotsy sy alimo ireo atleta niatrika ity fifaninanana ity tamin’izany, toa an-dry Mau­rice ary tsy ho ambakan’izany ny amin’ity indray mitoraka ity.

Marihina fa ny federasiona malagasy no niantoka tanteraka ny dian’izy ireo nihazo an’i Thailande mba hahafahan’ ireo atleta malagasy mahazo traikefa bebe kokoa eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Atleta voafantina no sady efa nisy nandrombaka medaly tamin’ny fifaninanana avo lenta avokoa izy miandahy ireto, ka antony nandrisika ny federasiona sy ireo mpiara-miombona antoka toy ny Madafit, Muscleshop ary ny Ethnika, hanohana azy ireo amin’izao fifaninanana hatrehana izao. Hanomboka raham­pitso 6 desambra ary hifarana ny 12 desambra izao ity fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja bodybulding hatao any Thailande ity.

Mi.Raz

Partager sur: